Ny antsika roa (Soa'Niaina)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tena maro ny tsara tarehyTsara bika ary koa manjabe
Fa tsy haiko angamba aloha
Fa izy no hitako ary tiko sy nahababo fo
Izy ilay nahay namilafila
Tsy mba zaka any anaty automobily
Mahay mandinika sy mieritreritra
Sipa tsy mora kotina
Ouh ouh ouh ouh
Refrain:
Na mpila vaniny io
Dia tiko foana izy
Be dongidongy io
Fombany ihany izany akia
Tsy tonga lafatra io
Otrana ihany izy
Dia 'zay, dia 'zay ny antsika roa
Dia rehefa miady iny zahay roa
Samy te ho marina avokoa
Tsisy hanaiky diso, samy tsisy hiala
Fa samy be mokony avokoa
Indraindray mampiaka-peo
Avy eo, dia samy malahelo
Lasa saina, mieritreritra
Dia samy variana tsy aki-teny
Ouh ouh ouh ouh
Refrain:
Fa refaveo amzay
Samy mangina aloha
Dia refaveo amzay
Mifampijery koa
Dia ny hiefarany amzay
Mifanao bisou
Dia 'zay, dia 'zay ny antsika roa
Guitare SOLO
Refrain :
Na mpila vaniny io....
Soa'Niaina
--------
Link:
Comments
ZahSoaniaina
(
11/05/2026 04:15)
Efa hitanao anaty YouTube ny video lyrics "Ny antsika roa - Soa'Niaina" ❤
ZahSoaniaina
(
14/05/2026 19:15)
Rohy mankany amin'ny video Lyrics "Ny antsika roa" amin'ny youtube : https://www.youtube.com/watch?v=Ya477-GSVfw&list=RDYa477-GSVfw&start_radio=1
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Soa'NiainaHits : 169
Likes : 0 Like
Created by : ZahSoaniaina
Date : 01/03/2026 11:15
