Manina (RY SERAH)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MANINA

nahoana e no miangatra
izao ve no lahatra
tomany tsisy mpiahy
ka ontsa lany fanahy
ty foko toa manirery
toloko tsisy mpijery
jereo e 'lay tokana
lavi-tany tsisy havana
manjombon-dava tsy eo nareo
tsy hita tava ka mankaleo
mamirifiry mavesatra tsy zaka ny entana
na vorona aza toa tsy mandalo
'lay volana tsy hita fa mailo
ny vazoko no mamelovelo hanala ny alahelo
soa ihany misy an'ialahy
akama solon-drahalahy
tandremo e mivadika
tongava aza manahy
isika tafaraka aty
hibaliaka ilay fitia
andeha re hitetika
hizara izay nentina
tohano aho raha mila hirona
arovy koa mba tsy ho voadona
hiakatra no tanjona tsisy mijanona
ho resintsika ny alahelo
asiana vazo mamelovelo
izaho sy ialahy no mampiara-peo
ho gaga ry zareo


RY~SERAH
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : RY SERAH
Visites : 2393
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : raozigasy
Date : 21/02/2010 15:04
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0414