Vavaka (RY SERAH)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
VAVAKA

ry raiko ô antra sy mpiahy
tsinjovy fa osa ny fanahy
miangavy koa mitalaho 'zahay
'lay fanahinao mba arotsahy
arovy soa ombay ny herinao
mba tsy ho kivy hiankina aminao

aiza ianao ray malala
maro loatra ireo satana
manenjika ahy tsy mamela
ho tia anao ampio aho tompo arovinao

indraindray toa solafaka
niezaka ihany nefa tsy afaka
hifonako ireo heloka
mibaboka aho ka mibebaka
mba raiso re 'ty fifonako
nofo sy ra atao ahoana moa
ny sisa no tsy ho averina
'zay vita aza moa nanenenana

iantrao mba hiala
ondry nania tsy nahalala
be siasia sy hadalana
avelao diovy ray ô ny heloko

RY-SERAH
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RY SERAH
Vangy : 2352
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : raozigasy
Daty : 21/02/2010 15:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0801