Ny andriambavy (RY SERAH)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
NY ANDRIAM-BAVY

maninona moa raha mitandrina
sao dia mba vaky ny andrina
tsapao kely ny daoziny
henoy tsara ny kaoziny
ry ikala mpangorona lova
izao ve mbola tsy miova
hatramin'ny zaza kamboty
notoriana mba tsy afa mihoty
nampiasaina daholo ny tetika
ny hopitaly ary ny certificat
hoe nisy namono ny zanany
ka tapaka hono ny tanany

nitetitetika roa tapitrisa ô ô nefa tsy namisavisa
very hevitra i ranavalona f'izy indray eo no ho faty enina alina
novoriana ireo herivelona mba hitsangana vavolombelona
nitokona ts'isy nandeha ka dia tezitra ilay ramose

dia roso ary ity fitsarana
fa tsisy raharaham-pihavanana
ka samy toa fianakaviana
ny mpitory ary koa ny toriana
ny andaniny avy @ vavy
samy naka ny tandrifiny avy
ny ankilany avy @lahy
rindrim-bato nijoro ho sahy
ka nony nivoaka ny didy
fa ho azo hono ilay sarobidy
nanantena an'ilay saosy be
niala maina fa annulé

dia nangaina ny andriam-bavy ô sy ry sata zay nanotrona azy
mba henoy ihany ny zanaka fa aza dia mery mibanaka
noentin'ny fitiavam-bola novereziny nataony kola
ny hany mba teniko faranay omeo ny mpandova ny anjarany...


RY-SERAH
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RY SERAH
Vangy : 2467
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : raozigasy
Daty : 21/02/2010 15:03
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118