Samy Tia (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vetsovetsoina amin-kalo
Ho heno isan’andro mandeha
Maro ireo tsapa nandalo
Fa resy foana e!
Tao ny onja mahery tsy hay tohaina
Narahin'afo mandoro
Olam-piainana maro nozakaina
Ny fitiavanay roa
Tsy mba nikoro


Ref
Teo ihany tsy niova
Mbola hiampy aza
Hifankamamy hatrany
Tsy ho resin'ny taona
Hamiratra foana
Ho samy tia ho doria

Raiso re ny tanako
ITy ny ahy raisinao
Mbola hanaiky antsika koa
Izao tontolo izao


Oram-panala mamiry
Niaretantsika tsy miala
Nifin'akoho tsy maniry izay hifankahala
Reo indro kely indraindray
Zara raha misy ora iray
Fatram-pitia efa ambony
Moa tsy vary sy rano
Tsy hifandao intsony


Ref
Teo ihany tsy niova
Mbola hiampy aza
Hifankamamy hatrany
Tsy ho resin'ny taona
Hamiratra foana
Ho samy tia ho doria

Raiso re ny tanako
ITy ny ahy raisinao
Mbola hanaiky antsika koa
Izao tontolo izao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Rebika
Visites : 232
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : tossyrakotondrazafy
Date : 06/04/2024 13:26
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011