Mba vatsio (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo ô ô
Vatsio hery aho
Ho entiko
Hamakivaky
Fiainana
Sarotra mantsy ny lalana
Mbola ezaka sy lavitra

Dia mba tohano,
mba tsy hivilivily
Lalan-kafa anie aho
Mba tantano sao solafaka
Fa malama ny lalana ho
Diavina

Ampianaro aho hahay
Hitia ireo mpiaram-belona amiko
Ongoty ho maina izay
Tsy nambolenao ato am-poko

Tompo ô ô ô
Mba tolory fahendrena feno
Avy any aminao
Omeo saina sy fo madio
Hoenti-miaina manomboka anio

Dia mba tohano,
mba tsy hivilivily
Lalan-kafa anie aho
Mba tantano sao solafaka
Fa malama ny lalana ho
Diavina

Ampianaro aho hahay
Hitia ireo mpiaram-belona amiko
Ongoty ho maina izay
Tsy nambolenao ato am-poko

Ampianaro aho hahay
Hitia ireo mpiaram-belona amiko
Ongoty ho maina izay
Tsy nambolenao ato am-poko
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Rebika
Visites : 4764
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : haga
Date : 04/04/2004 08:35
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011