Fitia mahafatifaty (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nifandimby teo ny taona
Toa mbola misoko foana ireo taloha
Saika namoizam-po
Fa nijaly vao niandoha, ilay fitiavantsika e
Mbola ratsiratsy fatra isika moa tsy mbola zatra.

Irony tao an-dakilasy
Tolotolotra taratasy sy ny sisa e
Rehefa ora firavana
Samy mody mihanahana tsy misy mivoaka
Dia mifampindrana cahier, resadresaka ela be ! ela be....

Ref : oroka aza tsy mbola natao
Malahelo izany ianao
Ny mifampintantana aza moa
Nampangovitra tokoa
Tamin’izany no efa nitsiry
Ilay tsy tafavoaka firy
Mbola ory sy kitanitany
Fa henontsika efa mamy.

Resaka tsy vita io ka dia tsy afa-miala isika
Efa natao
Ny tanjona mitovy, izay ihany no tsarovy
Tsarotsarovy
Rehefa latsaka hatrany anaty
Fitia mahafatifaty
Hitako efa anjara ka dia tsara mahafatifaty

REF

Ilay oroka tsy ampy lazainao
Azontsika hatao fanao
Ka na in-dimampolo aza androany
Izay tiantsika hatao ihany
Fa harenintsika vetivety ny zavatra tsy mety
Ary homeko sy homenao daholo
Izy manontolo
tso ro ro ro ro
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Rebika
Visites : 4951
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : lanto
Date : 27/02/2004 15:05
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121