Hafa ihany ny anilanao (RAMIAN)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Niezaka ho anao iny eh
Nomeko anao izay tsara indrindra tamiko eh
Tsapako fa madio eh
Ilay fitiavana natolotrao ahy
Fa zah anie tsy tanteraka eh
Maminavina koa izaho ny hoaviko eh
Dia tsy ho tantiko ka ho sarotra raha hoe hifandao

Taminao aho tsy nisalasala
Na namirifiry na koa nisy hafanana
Taminao aho tena afa-po ka tsy ho hafeniko aminao
Natsapako fa fo mitempo lalina
Maro ireo nandalo fa tsy nisy marina
Misento raha tsy anilanao ny foko malala ah
Mahaliana ilay masonao mahasarika ahy

Fiverenana:
Hafa ihany oa ny eo anilanao
Omeo tsiky kely raha sitrakao
Hatsapako hoe tena anilanao
Atolory ahy ny tananao
Hafa ihany oa ny eo anilanao
Omeo tsiky kely raha sitrakao
Hatsapako hoe tena anilanao
Atolory ahy ny tananao

2.Tsy haniany sanatria
Aza manahy fa ilay foko efa tia
Ny handao anao tsy ho vita aki
Ny hasambatra anao no tanjoko
Ka izay lalana ho diaviko tsy hohanenenako
Ireo sedra mety handalo dia hiaretako
Ho fitia madio no atolotro ho anao

Taminao aho tsy nisalasala
Na namirifiry na koa nisy hafanana
Taminao aho tena afa-po ka tsy ho hafeniko aminao
Natsapako fa fo mitempo lalina
Maro ireo nandalo fa tsy nisy marina
Misento raha tsy anilanao ny foko malala ah
Mahaliana ilay masonao mahasarika ahy

Fiverenana:
Hafa ihany oa ny eo anilanao
Omeo tsiky kely raha sitrakao
Hatsapako hoe tena anilanao
Atolory ahy ny tananao
Hafa ihany oa ny eo anilanao
Omeo tsiky kely raha sitrakao
Hatsapako hoe tena anilanao
Atolory ahy ny tananao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : RAMIAN
Visites : 77
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : ramian_Gasy_Loud
Date : 12/07/2024 20:13
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0764