Hifanaraka (RAMIAN)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Slam:
Tena efa ela be aki isika izay no niaraka ah
Dia oatrany hoe, nety tamiko, nety taminao eh
Andao rangah isika sy ndri hifanaraka ah
Hoe tena tsy hisaraka, dia hiaraka mandrakizay eh

Fiverenana:
Ka handao isika roa hifanaraka eh
Sanatria hifandao, sanatria hisaraka eh
Zah malalanao, ianao malalako eh
Hanoratra tantara, fitia tsy ho zarazaraina

1.Fitia lavorary eh, sanatria ho zarizary eh, fitiavana be
Tsy hizarazara ilay fitiavako, efa voafantina natokako
Efa ianao efa ianao efa ianao eh
Efa ianao efa ianao ianao irery eh
Efa ianao efa ianao efa ianao eh
Efa ianao efa ianao ianao irery eh

Zah tsy hilolalola fa hilalalala
Hoe tiako ianao, ilay tiako
Tsy hoe sanatria adala hiteniteny foana, sanatria eh
Fa avy amin'ity foko eh
Haiko tsy lavorary aho, fa misy fo mitempo eh
Hiezaka ho anao foana aho,
Raha mbola misy fofon'aina eh

Fiverenana:
Ka handao isika roa hifanaraka eh
Sanatria hifandao, sanatria hisaraka eh
Zah malalanao, ianao malalako eh
Hanoratra tantara, fitia tsy ho zarazaraina
Ka handao tsika roa hifanaraka eh
Sanatria hifandao, sanatria hisaraka eh
Zah malalanao, ianao malalako eh
Hanoratra tantara, fitia tsy ho zarazaraina

2.Haiko koa fa ianao efa vonona ny hiara-dia tsy hisalasala satria,
Matoky ilay fitiavana namelana, tsy hivadika mandrakizay doria,
Lasanao, lasanao lasanao eh, Lasanao lasanao ity foko eh
Lasanao, lasanao lasanao eh, Lasanao lasanao ity foko eh

Zah tsy hilolalola fa hilalalala
Hoe tiako ianao, ilay tiako
Tsy hoe sanatria adala hiteniteny foana, sanatria eh
Fa avy amin'ity foko eh
Haiko tsy lavorary aho, fa misy fo mitempo eh
Hiezaka ho anao foana aho,
Raha mbola misy fofon'aina eh

Fiverenana:
Ka handao isika roa hifanaraka eh
Sanatria hifandao, sanatria hisaraka eh
Zah malalanao, ianao malalako eh
Hanoratra tantara, fitia tsy ho zarazaraina
Ka handao tsika roa hifanaraka eh
Sanatria hifandao, sanatria hisaraka eh
Zah malalanao, ianao malalako eh
Hanoratra tantara, fitia tsy ho zarazaraina

Fiverenana:
Ka handao isika roa hifanaraka eh
Sanatria hifandao, sanatria hisaraka eh
Zah malalanao, ianao malalako eh
Hanoratra tantara, fitia tsy ho zarazaraina
Ka handao tsika roa hifanaraka eh
Sanatria hifandao, sanatria hisaraka eh
Zah malalanao, ianao malalako eh
Malalako oh, handao hifanaraka eh

Zay ah, rehefa izay dia izay ah,
Sao dia tena hoe, leo leo kely dia tezitra dia handao barakay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RAMIAN
Vangy : 87
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ramian_Gasy_Loud
Daty : 12/07/2024 20:01
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128