Fa inoko ianao (Ramaroson Wilson)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
L : Fa inoko ianao no antsoiko
V : Fa inoko ianao no lamboiko
Tantely hanatitra maminy ve ?
hamela ny mamy ao an-tranony
hamela ny maminy ao an-tranony


V :Fa inoko ianao no banjiniko
L : Fa inoko ianao no fihiniko
Vony hanome fofo-manitra ve
Ho hanitra hanakatra lanitra

V :Fa inoko ianao no koloiko/
L:Tsy taratra sendra nindramina
V : fa inoko ianao no jokoiko/
L: Tsy volana soa mihamikamina
V : sa lolo mamelatra elatra/
L: Tsy iza fa olo-malala
V : elatra manjelanjelatra/
L: Ny tiana tsy manan-tsahala
Fa inoko ianao no lalaiko
Fa inoko ianao no bikaiko
Ndrao taratra iray tsara loko
Nandroba nambabo ny foko

V :Fa inoko ianao no koloiko/
L:Tsy taratra sendra nindramina
V : fa inoko ianao no jokoiko/
L: Tsy volana soa mihamikamina
V : sa lolo mamelatra elatra/
L: Tsy iza fa olo-malala
V : elatra manjelanjelatra/
L: Ny tiana tsy manan-tsahala
Fa inoko ianao no lalaiko
Fa inoko ianao no bikaiko
Ndrao taratra iray tsara loko
Nandroba nambabo ny foko

L : Fa inoko ianao no antsoiko
V : Fa inoko ianao no lamboiko
Tantely hanatitra maminy ve
hamela ny mamy ao an-tranony
hamela ny maminy ao an-tranony

V :Fa inoko ianao no banjiniko
L : Fa inoko ianao no fihiniko

Vony hanome fofo-manitra ve
Ho hanitra hanakatra lanitra
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ramaroson Wilson
Visites : 15
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : radotsifa
Date : 20/01/2026 12:40
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0691