Ampidiro aloha ny tenimiafina
mahafinaritra (Ny Avo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mahafinaritra retsy midera an'iJesoaMahasambatra loatra mihoby ny Tompo
Ka andao hankalaza an'Ilay Tompo tia
Ka mitsikitsikia sy mifalifalia (x2)
Réf:
Aza mangataka andro,
Aza mihambahamba
Andao hiara-hanompo ny Tompo
Aza misalasala
Faingana ianao sao tara
andao hiara hidera an'i Jesosy
Ao amin'iza mahafinaritra (Ao @ Tompo mahafinaritra)
Ao amin'iza no mahasambatra (ao @ Jesosy)
Ao amin'iza fifaliana (Ao @ Tompo ny fifaliana)
Ao amin'iza tsikitsiky (Ao @ Jesosy)
Hadinoy ny alahelo f'hidera an'i Jesoa
Aza misentosento fa eo koa ny Tompo
aoka izay ny tomany fa mba mifalia
fafao ny ranomaso mitsitsikia (x2)
Réf:
Aza mangataka andro,
Aza mihambahamba
Andao hiara-hanompo ny Tompo
Aza misalasala
Faingana ianao sao tara
andao hiara hidera an'i Jesosy
Ao amin'iza mahafinaritra (Ao @ Tompo mahafinaritra)
Ao amin'iza no mahasambatra (ao @ Jesosy)
Ao amin'iza fifaliana (Ao @ Tompo ny fifaliana)
Ao amin'iza tsikitsiky (Ao @ Jesosy) (x3)
Ao amin'iza mahafinaritra
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Ny AvoVisites : 734
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : fetramaharosoa
Date : 12/04/2024 11:10
