Babo (Ny Avo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
V: Babon' ny fitiavanao aho tompo ô!
Babo aho, tena babon' ny hatsaranao
Anilako hatrany, na mangidy na mamy
Na tsiky, na tomany.

L: Babon' ny fitiavanao aho tompo ô!
Babo aho, tena babon' ny hatsaranao
Anilako hatrany, mangidy na mamy
Na tsiky, na tomany.

Ref:
LV: Ny otako dia efa voavela
Ny trosako tsy misy tavela
Nodiovinao aho
Ho olom-baovao aho
Izao fitiavany anao.
.......................
V: Mpamonjy mahery
Mitsinjo, Mijery
Tsy mamela ahy ho very.

L: Ilay namonjy ny aiko
Sy mbola antenaiko
Ianao foana no ilaiko.

Ref:
LV: Ny otako dia efa voavela
Ny trosako tsy misy tavela
Nodiovinao aho
Ho olom-baovao aho
Izao fitiavany anao.

V: Fitiavako ianao,
L: Fiainako ianao
V: Nanolotra ny ainao ho anay!
L: Ilay nampahoriana
V: Sy nampijaliana
LV: Ho tsaroanay mandrakizay!

V: Babo ny fitiavanao aho Tompo ô!
L: Babo aho, tena babon' ny hatsaranao
LV: Tsy lany hamamiana, feno fitahiana
Ary tretriky ny hafaliana.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ny Avo
Visites : 11728
Préférés : 2 J'aime
Ajouté par : christophe17
Date : 18/12/2018 22:07
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1432