SATRY (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Satriny ny ho eo anilanao
Izy anefa tsy maintsy mbola handao
Ny ora koa efa voafetra ihany
Ny faritra tsy azo itsahina

Izaho anefa toa tsy handiso anao
Marina fa eo ny fakam-panahy
Diso lalana izany ianao
Izaho tsy te-hahalala izay manjo anao

REF : Hadalana anie
No nanosika azy
Hitantana anao
Hadin-tsaina koa
Fa tsy sitraky ny loha
Marina fa tena mampamoy fo

Ny ato an-tsaiko raha ho lazaiko anao
Angamba tsy ho azonao akory
Fa maizina ny havoakan’ny maraina
Ka dinidiniho mandritra ny alina

NJILA
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Njila
Visites : 2220
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Linah D
Date : 10/07/2003 08:41
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0786