SARO-PIARO (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy saro-piaro aho
tsy tia tena
fa ho toa anao amin’izao tontolo izao
hitondra hafaliana
hizara hafaliana
hiombonako aminy ampy izay ho anay

Raha izaho ry masoandro
no toa ny taratrao
hiantefa ao ampony sy hitarika azy
hanilo azy

Mba te hanan’elatra aho
hanantona anao
hitoetra aminao
ho tia sy hiaro azy
na semban-drahona
handalo foana ireny

Tsy saro-piaro aho
tsy tia tena
fa ho toa anao amin’izao tontolo izao
hitondra hafaliana
hizara hafaliana
hiombonako aminy ampy izay ho anay

Rehefa hody ianao ka hisaraka isiska
hahita azy indray
ka hamihina azy
hiandry anao zahay
ianao ry mazava no hamoha anay
hitondra hery vao hitarika hampiray
izay no faniroako ianao no tokiko

Tsy saro-piaro aho
tsy tia tena
fa ho toa anao amin’izao tontolo izao
hitondra hafaliana
hizara hafaliana
hiombonako aminy ampy izay ho anay

  NJILA (Poopy&Solofo;)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Njila
Visites : 8505
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : andrianirainy
Date : 18/04/2007 21:08
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111