RAHA METY IANAO (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha mety ianao mety hiaraka aminay
Raha mety ianao mety ho any aminay
Ndeha fafao izay mety hisakana anao
Handray anao , handray an-tanan-droa izahay
Ka ny mieritreritra sisa anjaranao

Mitondra, mitondra voan-dalana
Eny fa na ’zay kely ananana
Hanampy indray ny fifamatorantsika

Hitsikitsiky isika amin’izany
Hikalokalo sady koa hampiray
Dia ho tonga lafatra
Ny ora kely niarahantsika

Ho hitanao fa finaritra ianao
Ho tsapanao fa finaritra ianao
Hiverina hifoka rivo-baovao
Handray anao, handray an-tanan-droa ’zahay
K’aza dia misalasala intsony ianao

Hitsikitsiky isika amin’izany
Hikalokalo sady koa hampiray
Dia ho tonga miramirana
Sy ho faly sahirana
La la la la ...
Hitsikitsiky foana isika amin’zany
Dia ho tonga lafatra
Ny ora kely niarahantsika
La la la la...
                                         NJILA
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Njila
Visites : 3690
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Linah D
Date : 22/07/2003 19:30
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111