Nandalo teo (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
NANDALO TEO

Efa andro maromaro lasa izay
No nahitako fa nandalo teo ilay akamanao
Akamanao fahiny no tonga
Sy te hamantatra izay mba fiainanao
Nahatsiaro angaha izy
Ka mba tonga
Fa tsy ho ataony ny hiverina aminao
Nandalo teo ilay havanao fahiny izay
Nandalo teo fa tsy nijanona
Ny sento no nataony betsaka
Ka dia nandeha izy
Tsy mba nierikerika

Efa nadramany avokoa izay rehetra mety
Mba hisian’ny fanadinoana ny momba anao
Saingy arakaraky ny hanaovany izany
No hahatsapany fa velona ao am_pony ny anaranao
Ka dia tonga izy mba hamangy
Handalo ihany dia voatery handeha
Nandalo teo ilay havanao fahiny izay
Nandalo teo fa tsy nijanona
Ny sento no natony betsaka
Ka dia nandeha izy
Tsy mba nierikerika

Tsy mba nihevitra izay hamalifaty
Toy ny fanaon’ny sasany raha izay akamanao izay
Na ireo ozona sy ompa maro tokony navaly anao
Dia tsy mba tao am_bavany
Fa naleony dia nangina
Nandefitra tsy namaly anao
Nandalo teo ilay havanao fahiny izay
Nandalo teo fa tsy nijanona
Ny andro sisa mbola hanadinoany anao
Dia hohezahany hafohezina

NJILA
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Njila
Visites : 3915
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Tiana
Date : 15/11/2001 02:11
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0738