Miova indray (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manina azy ianao
Dia mitamberina
Lasa efa hadino taloha
Nofohazinao avokoa
Toa manahirana anao
‘Zao fandalovany eto izao
Fery efa sitrana ela izay
Notriharinao haratra indray

Miova indray, mihodina indray
Ny fiainany mihodina eny ihany
Ny anao no ataovy tsaratsara hatrany
Avelao any, avalony any
‘Zay mety ho fankahalanao azy
Fa tsy hisy handany andro hihaino anao

Hitany eny foana
Dia tsinjony eny foana
Fantany fa nanova olon-kafa vaovao ianao
Tsy azoko izay mety, izay mety ho any am-pony any
Mety ho faly angamba ianao izao
Raha nankarary azy ny fihetsikao

Miova indray, mihodina indray
Ny fiainany mihodina eny ihany
Ny anao no ataovy tsaratsara hatrany
Avelao any, avalony any
‘Zay mety ho fankahalanao azy
Fa tsy hisy handany andro hihaino anao

Raha fitia, fitia tsy mba nivaly
Avelao any, ny lanitra no hamaly azy
Fantatrao, ny fonao tia, ny fonao mbola tia
Tsy hay tohaina, adala tsy mety mangina.

Miova indray, mihodina indray
Ny fiainany mihodina eny ihany
Ny anao no ataovy tsaratsara hatrany
Avelao any, avalony any
‘Zay mety ho fankahalanao azy
Fa tsy hisy handany andro hihaino anao

Ny fiainany mihodina eny ihany
Ny anao no ataovy tsaratsara hatrany
‘Zay mety ho fankahalanao azy
Fa tsy hisy handany andro hihaino anao.
Miova indray.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Njila
Visites : 3708
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : arlovah
Date : 19/09/2006 10:16
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0259