HIRAHIRAN' IALAHY (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
REF : Ireo hirahiran’ialahy toa hira falifaly
Mamalifaly, manainga fanahy
Variana be, misy azy ireo mijanona
Tavela teo tsy te-handeha

Vao maraina ialahy
Dia indro maka vody rindrina
Mbola kamokamo malaindaina be
Ny gitara tsy mba hadinonao
Io ihany no mba namanao

Rehefa atoandro ny andro lasa ialahy
Mitady hanina
Hanohanana ny aina ho enti-miady
Amin’ity fiainana efa sarotra
Efa mahakivy sy mandreraka
Soa ihany fa mbola eo ny hirahira
Afaka hamalifaly ny ao am-po

Rehefa hariva ny andro indro ialahy
Eo an-tokontany be
Manangona ny taritary ao an-tanana
Mitanin’afo sy miara-mihirahira
Mifanjevo samy revo mikorana
Adinon’ialahy jiaby ny sorisory
Mavesatra, mandreraka ny fo

NJILA
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Njila
Visites : 5243
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Linah D
Date : 05/08/2003 10:14
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012