Mandrapah (NISEA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy nisy niova, matokia fa miandry
Ny anio na mora aza, tampoka ny farany
Variana mihintsy aho, tsisy tahotra
F’iray minitra, no hikipian'ny masony

Tsy tsaroany  fa manontany isan'andro ny ao ambony

Mba ampio hisidina , hiomana aho ho any
Mandrapahatongan'ny ora, avotra aminy

Tsy hahita an'iza aho, eny an-tanany
Fa fitsaràna, valin'izay vita ety

Tsy tsaroany  fa manontany isan'andro ny ao ambony

Mba ampio hisidina , hiomana aho ho any
Mandrapahatongan'ny ora, avotra aminy

Satria tsy haiko, ny hahatongavanao
Mandry ny saiko, fa miambina
Mba ampio hisidina , hiomana aho ho any
(Mialoka aho, tsy manahy)-(ambany elatrao)
(Ady na fatotra)-(tsy misy itazona ahy)
Mandrapahatongan'ny ora, avotra aminy
Ka tsy hatahotra  
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : NISEA
Visites : 1312
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : sainakims
Date : 26/02/2016 10:48
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0796