Teto foana (Ndondolah sy Tahiry)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa ela ela, mieritreritranao
Lasan'embona aho
Naheno onja vao
Toa midodododo am-po
Midoboka ny fo
Ary mbola ianao no ato an-dohako ao.

Sanatria ve tsisy laony
Ilay hasambarana
Nefa topi-maso iray no efa niarahana
'Zaho dia nanantena
Ho hisy fanindroany
Dia ho teninao amin'ny vavanao ny eritreritro.

Ref:
Teto aho, tena teto ô!
Teto aho, tena teto akia!
Niherika aho, nitodidoha, sao mba tao ianao.
Teto aho, tena teto ô!
Teto aho, tena teto akia!
Miandriandry irery teto aho sao mba tazanao.

Teto aho, tena teto ô!
Teto aho, tena teto akia!
Fa nanantena ny anjarako aho mba ho anjaranao.
....
Hay ve zary nofy, ilay eritreritro
Hay midoboka ny foko na tsy tanteraka aza.
Fandalovana, ilay eritreritro
Fa misy koa anjara hinoako fa aminao any.

Ref:
Teto aho, tena teto ô!
Teto aho, tena teto akia!
Niherika aho, nitodidoha, sao mba tao ianao.
Teto aho, tena teto ô!
Teto aho, tena teto akia!
Niandriandry irery teto aho sao mba tazanao.

Teto aho, tena teto ô!
Teto aho, tena teto akia!
Fa nanantena ny anjarako aho mba ho anjaranao.
....

Ref:...(x1)

*Fa nanantena ny anjarako aho mba ho anjaranao. (X2)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ndondolah sy Tahiry
Visites : 288
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : christophe17
Date : 24/07/2025 04:02
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0714