Aiza no mody (ft Farao) (Meizah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mangina be hoa ny làlana, ianao tsisy namana, aiza no mody eiah
Henjana ngeh hoa ny làlana, ianao tsisy namana, aiza no mande iah
Enao ve aiza no mody eiah
Hono hoa fa aiza no mody eiah
Zao ko zao mantsy efa hody eiah
Zao ko zao mantsy efa hody

Sao de mila namana mody e, mody e, mody e, mody e, mody e, mody e
Fa za izao efa andalana hody e, hody e, hody e, hody e, hody e, hody e
Ka mankaiza le lalandry mody e, mody e, mody e, mody e, mody e, mody e
Sao de mila namana mody e, mody e, mody e, mody e, mody e, mody e

Tsy hanahirana ve, izaho hiara hody am' se
Ny olana anie, izao mbola lavitra be
Miala ny bus de roa kilometatra
Ny làlana koa be mpanendaka
Ivato anie zay no mipetraka
Mbola lavitra be sady dezaka

Fa naona kosa no nilaozany hoa, ianao de nilaozany hoa
Sa ve natakalony ny toakany hoa, naleony ny toakany hoa
Nafana be ngah hoa ny azy ny revy, de ianao nalefany nande irery
Nafana be ngah hoa ny azy ny fety, tsy tsapany akory hoe ianao ngeh ho very

Sampana be hoa ny làlana ka samy nanana ny lalany nody eiah
Sampana be hoa ny làlana ka samy nanana ny lalany nody eiah
Izy any an-kafa no mody eiah
Izaho lalan-kafa no mody eiahIzy any an-kafa no mody eiah
Izaho lalan-kafa no mody

De izaho tsisy namana mody e, mody e, mody e, mody e, mody e, mody e
Fa samihafa ny làlanay mody e, mody e, mody e, mody e, mody e, mody e
De izaho tsisy namana mody e, mody e, mody e, mody e, mody e, mody e
Fa samihafa ny làlanay mody e, mody e, mody e, mody e, mody e, mody e

Fa izaho ty efa namanao, hanaraka ny làlanao
Na tsy hita aza ny akamanao, de aza manahy intsony ianao
Fa izaho ty efa namanao, hanaraka ny làlanao
Na tsy hita aza ny akamanao, de aza manahy intsony ianao, mama

Fa za nefa tsy maintsy mody e, na aiza lazainao tsy tody e
Ianao koa tsy fantatra sao de olon-dratsy manao fanafody e

Ka alao izao andeh hiala a, raha hiresaka vao mainka tara
Ny andro koa ty efa soir a, ka ny matotra aleo samy miala

Henjana be nge ry namana ty mbola làlana miandry andry mody eiah
Henjana be nge ry namana ty mbola làlana miandry andry mody eiah
Enao any Ivato no mody eiah
Mba marina ianao raha ho tody eiah
Enao tsisy namana mody eiah
Ka andao any antrano no mody

Andao any am tanàna ny hody e, hody e, hody e, hody e, hody e, hody e
Sady ny any am tanàna homby e, homby e, homby e, homby e, homby e, homby e
Andao any am tanàna ny hody e, hody e, hody e, hody e, hody e, hody e
Sady ny any am tanàna homby e, homby e, homby e, homby e, homby e, homby e

Mba kôzy ah rah ho any am zany e, matahotra ho any am zany e
Bedy ah rah ho any am zany e, zaho ve mba ho any am zany e, eieh
Menatra sady matahotra ah
Tsy poinsa koa sady enao angah
Tsy lavitra noho ny ankorahotra ah
Nefa rah mande any matahotra ah

Za nge tsy manaikitra hoa, fa tonga de raikitra hoa
Za nge tsy manaikitra hoa, fa tonga de raikitra hoa
To de raiketo fa ny ao antanàna milamina be tsisy be menimenina
Ny ao antanàna amzao koa malalaka be tsika roa tsisy panelingelina

Ho any aminao ah rah ny hody e, hody e, hody e, hody e, hody e
Sady ny any aminao nge mba tody e, tody e, tody e, tody e, tody e 
Ho any aminao ah rah ny hody e, hody e, hody e, hody e, hody e
Sady ny any aminao nge mba tody e, tody e, tody e, tody e, tody e 
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Meizah
Vangy : 842
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Liva_R
Daty : 25/10/2019 10:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716