You are here: home > Tononkira > Meizah

Mba tsaroanao ve ? (ft Willkim) (Meizah)

be loatra ny adiady
niharitra aho fa tsy tanty
ny ditranao izany toa tsy lefitro intsony

mba niezaka aho niafy
ilay fitia lasa ratra
androany aho hitraka hitady lalan-kafa

izaho ilay mba natoky ilay fitia ho doria
izao rava tsisy malahelo nefa indrisy
aleo hivalona any
eto no hiafarany
hitady izay anjara aho fa tsy anao

ref :
mba tsaroanao ve?
fony isika mbola niaraka
n'aiza n'aiza tsy misaraka
ianao anefa idnrisy niova lalan-kafa

mba tsaroanao ve?
Tsiky dia ampyireo safosafo ireo sangisangy ireo teny mamy
fataonao ahy tamin'izany
sa nafoinao any ireny?

eh eh eh meizah
asa raha tsaroanao ilay fitia tamin'izay
tamin'ny izaho ilay mbola zaza
za tsy nandraraha akory hoe ianao kay mitsinjo ny ho avy

tsy mba nanana heritreritra aho hoe
ianao ihany dia ampy ho ahy
ampy hanatsara ny hoaviko
tamin'ireny izany nolaviko

ref

marina fa ny fitia tsy atao kilalao
anao ny safidy izay mba ho anjaranao
ka vitao ny adalanao
dia izaho avelao avelao...

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Meizah
Mpamaky : 3321
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 02/04/2016 11:10:16
ID : 8216

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo