Tompo, aiza ianao ? (ft Asaph) (Marion)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao no mibaiko amin'ny asa ataonay, ry Ray
Eny Tompo ô, na sarotra aza io natombokay
Mba niandry ny mazava hiposaka indray izahay
Fa ny asan'i satana mandrava
Ho kivy e, izahay

Eny Tompo aiza Ianao
Tafio lay heriNAO fa reraka izahay
Manjary nangatsiaka
Aiza Ianao hatanjao ny foko eny hafanao
Be reo ratsy fanahy
Aza avelaNAO ho kivy

Ry Tomponay Tsitoha
Tolory tanaNAO aho
Satria mba ho aiza moa, malemy aho
Lay ratsy te hamotika hatrany
Fa reraka izahay mihakivy koa indraindray
Ny mpanenjika no indreo manakora
Ekeko hoe rahatrizay lay ho avy tsy mampanahy
Fa mafimafy nefa izao tsy azo atao hoe mora

Eny Tompo aiza Ianao
Tafio lay heriNAO fa reraka izahay
Manjary nangatsiaka
Aiza Ianao hatanjao ny foko eny hafanao
Be reo ratsy fanahy
Aza avelaNAO ho kivy

Mba niandry ny mazava hiposaka indray izahay
Fa ny asan'i satana mandrava
Ho kivy e, izahay

Eny Tompo aiza Ianao
Tafio lay heriNAO fa reraka izahay
Manjary nangatsiaka
Aiza Ianao hatanjao ny foko eny hafanao
Be reo ratsy fanahy
Aza avelaNAO ho kivy

"Eny Tompo, aiza Ianao fa mafy ny adinay
Indraindray toa lavo
Avoty amin'ny tanam-pitiavaNAO
Mba tsy ho faly amin'ny fahavoazako ny fahavalo
Fa ho mpandresy aho dia hitraka
Hahita ny voninahitrAO"
--------
Rohy:
Hevitra
tiavinajeanfabrice ( 21/02/2018 19:17)
Mandresy foana tsika miaraka amin'ny tomp e,ef tena diso mety lay tonin'kira e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Marion
Vangy : 8751
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 08/03/2015 17:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1392