Ho doria mandramaty (Marion)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andro sarobidy loatra tamiko
‘Zao fotoan androany anio izao
Ilazako anao izay tena ato anatiko
Nokoboniko ho ahy hatramin’izay

Ho avaoziko, ilay teny iray
Tiako ianao tena tiako
Ho tiaviko, ho mandrakizay
Noho ilay safidy tao am_po
Manomboka eto anio izao-an an an
Ho iray izaho sy ianao
Fiainako efa lasanao
Babonao, babonao
Manomboka eto anio izao
Ho iray izaho sy ianao
Ny amiko efa lasanao
Ho Doria mandramaty
Misaotra anao mbola niandry ahy
Niaritra ireo hadalako
Misaotra anao tsy mbola niahiahy
Natoky hatrany ilay fitiavako

Ho avaoziko, ilay Teny iray
Tiako ianao tena tiako
Ho tiaviko, ho mandrakizay
Noho ilay safidy tao am_po
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Marion
Visites : 5270
Préférés : 2 J'aime
Ajouté par : tsanta07
Date : 13/07/2018 18:34
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722