Voasary Mandarina (Mami Bastah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
-- Refrain (x2) --
Otran’ny voasary mandarina ny endrikin’ny fofom-badiko
Otran’ny voasary mandarina izy kanefa tiako sy mamiko
Izy ilay tsy atakaloko fa izao tsy itady olon-kafa intsony
Hokasaiko ampiakarin’izy ato ho ato raha sitraky ny ao ambony

Izy rery no olon-tiako eto an tany izay inoko fa tsy voasolo
Fa ny fantako sy ny foko, ny fitiavako lasany manontolo
Reo vehivavy mba te ho vadiko indrisy lany andro misodisody
Fa tsy misy mba ny andefa ny fitiavako nagaina lasa mody.

Ô ry dada mba antrao ny safidiko fa aza terenareo
Ilay vehivavy natolotra mba ho vadiko hekeko tsara tareha
Fa ny ahy izay tsara toetra sy hendry no mba tiako tsy mampaninona
Fa izay nanosika ahy te hanambady ilay otrany mandarina.

-- Refrain --
Otran’ny voasary mandarina ny endrikin’ny fofom-badiko
Otran’ny voasary mandarina izy kanefa tiako sy mamiko
Izy ilay tsy atakaloko fa izao tsy itady olon-kafa intsony
Hokasaiko ampiakarin’izy ato ho ato raha sitraky ny ao ambony

Ô ry neny ô hialako tsiny mialoha raha andaha ny teninareo
F’ilay vady nataolotrareo dia manja nefa sao hanenenako eo
Fa izaho sy ilay otrany mandarina efa ela niarahana
Folo taona nifankahalalana toetra ka tsy azo sarahana

Raha toa ka tsy hanaiky mihitsy nareo, tsy maninona handefitra aho
Hanambady ilay vehivavy tianareo izay tsy tiako voatery hatao
Dia ny tsotra hamaranako ny tantara hampirafa aho fa tsy maninona ah
Ho tiavoko antsokosoko eny foana ilay otrany mandarina

-- Refrain (x2) --
Otran’ny voasary mandarina ny endrikin’ny fofom-badiko
Otran’ny voasary mandarina izy kanefa tiako sy mamiko
Izy ilay tsy atakaloko fa izao tsy itady olon-kafa intsony
Hokasaiko ampiakarin’izy ato ho ato raha sitraky ny ao ambony

(x3)
Otran'ny voasary mandarina e
Otran'ny voasaray mandarina ô
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Mami Bastah
Visites : 466
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : kolokoloina
Date : 14/03/2024 20:48
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0791