Mpiliba (Mami Bastah)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nandray karama a, ka indro tsy tana a, hitady toerana hilibàna aNifanao fotoana, ka indreo tafahoana, handeha hifanondraka raoma
Tsy ahoany ny ho avy, fa lanilaniany ny vola a,
Ny zanany anefa manavy, tsy ahoany fa aleony midola
Dia nirediredy e, fa tsisy bedy e, nigoka, nanao izay nety e
Nandany vola a, toa tsy ho tola a, ny antsasa-karama efa sola a
Ny vady amanjanany mijaly, mitsanga-mitoetra miandry azy
Izy anefa toa falifaly, ny an-trano no mahatsiaro voasazy
Tonga ny alina, injay fa mahatsiaro fanina a,
Mahery ny zavatra noanina,
Lasa nivoaka fa efa mamon’ny toaka, mbola tsy hody fa hamonjy andra-sipa a
Tsy tsaroany akory ilay malalany, sy ny zanany tsy ampy sakafo,
Olon-kafa indray no tantanany, fa ilay vady nilaozan-tsafosafo
Nony maraina, vao tonga saina, hamonjy fodiana, kanefa malaina
Fa fofo-tsambaosy no sisa ao am-paosy, io no solon-karama mba omena an’I madama
Sadaikatra ny hiditry ny trano, ny karama lany nilibàna
Ny vady aman-janaka no nidiran’angano
Ny karama nomena an’ireo namana
Tsy ahoany ny ho avy e, fa lanilaniany ny vola e,
Ny zanany anefa manavy, tsy ahoany fa aleony midola
Nandanindany vola, nandany vola…
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Mami BastahVisites : 2198
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : tokisantatra007
Date : 09/03/2019 10:44