Aina ny fivavahana (Mami Bastah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry Rainay izay any an-danitra
Mifona Aminao zahay e!
Fa tsy mahatohitra tsy afa-miaritrany fakam-panahy be dia be
Maro ny fitsapana manodidina sarotra ialana
Ka iangaviana Ianao re mba hidina
Hanafaka fahotana

Tsy sanatria akory mamazivazy
Na koa mananihany
Fa ny vavaka anie samy manana ny azy
Andriamanitra iray ihany
Ka mba henoy re ny vavaka ataoko
Zay tena vokatry ny fo
Raha toa ka tsy mety ny fomba fanaoko
Ifonako dieny mialoha

Omeo anay re ny fahasambarany dieny ety an-tany
Fa aza andrasana ela loatra hijaly sy hitomany
Fa mamely mafy ny hasarotam-piainana
Mahatonga ny ady
Manjary manova ny foto-pisainana
Hivarina any an-kady

Omeo anay re ny hery rehetra
Handresenay ny fakam-panahy
Fa aza avelanao hanjoretra voatarik’I satana
Fa na dia hifafy toy ny oram-panala
Ireo fisedrana maro
Ianao no masoandro afaka hampiala
Mampitsoaka ireo fahavalo

Ry Rainay izay any an-koatra omeo sakafo zahay e!
F’efa leo ny hanina ambany foitra
Noana lava sy mijaly be
Mino izahay f’Ianao tsy hanary hitarika sy hanilo
Hanafaka anay amin’ny mosary
Hitondra sakafo matsiro

Ry Rainay izay an-danitra omeo fitafy zahay e!
F’efa ngolin’ny hatsiaka maharitraritra sy tampi-dalan-kaleha
Matoky izahay fa ny teninao sisa fanantenana
Handrakotra anay rehefa mangatsiaka bodofotsy mafana
Omeo anay re ilay herin-tsaina sy fo vaovao
F’izay mampirisika anay tsy halaina hanao ny sitrakao
Ka ampianaro  anay ny teny rehetra anaty baiboly
Mba tsy ahatonga anay ho ratsy toetra hidiran’ny devoly

Ry Rainay izay any an-koatra hofaranako ny vavako
Raha mbola tohizana lava loatra ka manjary tsy avy amin’ny fo
Fa ity no mba hafatro ry Ray Tsitoha hanandratako ny feo
Raha maty aho re ny vatako lo, ny fanahiko vonjeo
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Mami Bastah
Visites : 666
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : tynede
Date : 18/06/2021 14:54
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0771