Tao antsekoly (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tao an-tsekoly, ’zaho ro Gisitra,
Matetika faran’ny lisitra,
Faniriako anefa, ny ho yarqphah tonga Minisitra;

Ka i Bado sy Dondrona ro ataoko Direkitera,
’KalaSoa, Sekretera Paritikiliera,
'Le Mahay, raha azoko, gxqx ataoko Saofera;

Fa i Koto, Letinako fahiny,
Hahazo ny toerana iriny,
Ho tretrika sy faly,
Fa Sekretera Generaly;

Mitsangana ary ’ty Minisitera,
Mitsinjarazara ho Vaomiera,
Hanatanteraka, ny Hafokana lany Era!

Ireo Tary somary Manky Visy,
Hataoko Sefo Serivisy,
Handinika, ny Hadalana rehetra misy;

Vaomieran’ny Enti-mody tsy vita,
Vaomieran’ny Fitaovana tsy hita;
Vaomieran’ny Habadoana,
Vaomieran’ny Hakamoana.

Ireo Mpampianatra nanambanimbany,
Ny Tale, anisan’izany,
Hampiendreketiko, 'ny famafana ireo tokontany;

Ireo "surveillants" kosa,
Nanao izay hahakanosa,
Eny anjoron-trano, Mandohalika! Hanala trosa;

Fa ny anay ts’isy azo rarana,
Fifohan-tsigara, fisotroa-Mafana,
Fa Fakan-drivotra lava,
Rehef’avy eo samy mibaraka, dia samy mirava;

Ireo Vehivavy ’zay namingavinga,
Niseho ho favy, niseho ho kinga,
Ampiriatiko, ts’ary avelako rah’ tononkira.serasera.org tsy mandringa;

Ireo Lehilahy tsy resiko, fa mafy be,
Manan-tsaina, Tsara bika, tsara tareh’
Rah’ vao mitrena, "Allez, Affecté".
bqxvri
Fa ny Minisiterako, dia Sekoly Tsy Miangatra,
Ny Ambony Haforitra, ny Ambany Hasandratra,
Ao Amiko no TENA HITRANGA,
’Ty dradradradraina hoe FITOVIAN-TSARANGA!

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1705