Tany tokana (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy tany tokana sady boribory a
Mihodinkodina eny an-danitra eny a
Mitady lalan-kafa, hafa hizorana
Fa leon’ny mihodinkodina amin’ilay masoandro a !

Ny masoandro kosa, kosa, kosa
Tsy mamela azy a, fa mitazona azy foana a !

Misy olon-tokana mitondra fitiavana
Nozarazarainy eran’ny tany
Nahazo daholo ny olona rehetra
Mitambatambatra izay mifankatia

Fa ny tany kosa, kosa, kosa
Mihodinkodina any a, tsy miraharaha izany an !

Raha misy olo-marina mitondra fanjakana
Raha fanjakana marina mitondra firenena
Raha firenena marina mitondra tanana
Raha tanana marina eran’ny tany

Ilay tany fhxtrsqm kosa, kosa, kosa
Mihodinkodina any a, tsy miraharaha izany an !

Raha misy olo-masina mitondra fivavahana
Fivavaha-masina mitondra mpivavaka
Mpivavaka masina mitondra mpiangona
Mpiangona masina eran’ny tany

Ilay tany kosa, kosa, kosa
Mihodinkodina any a, tsy miraharaha izany an !

Misy mompera tokana eo ambony altara
Sy mpiangona tokana eo ambony dabilio
Dabilio tokana ao anaty fiangonana
Fiangonana tokana ao an-tanana

Fa ny ftamoeq tany kosa, kosa, kosa
Mihodinkodina any a, tsy miraharaha izany an !

Misy pastera tokana eo ambonin’ny altara
Sy mpiangona tokana eo ambony dabilio
Dabilio tokana ao anaty fiangonana
Fiangonana tokana ao an-tanana

Fa ny tany kosa, kosa, kosa
Mihodinkodina any a, tsy miraharaha izany an !

Misy Baiboly ngôda be ambonin’ny altara
Altara be ao anaty fiangonana
Fiangonana be misy tilikambo a !
Tilikambo avo be lpbgsku eran’ny tany a!

Fa ny tany kosa, kosa, kosa
Mihodinkodina any a, tsy miraharaha tononkira.serasera.org izany an !

Misy vola be dia be eo ambonin’ny latabatra
Latabatra be ao anaty efitrano
Efitrano be ao anaty trano avo
Trano avo be manerana ny tany a !

Fa ny tany kosa, kosa, kosa
Mijanona am’zay a, tsy mihodinkodina intsony an !

--------
Lien:
Commentaires
Mtra ( 03/07/2021 13:49)
fa ny tany kosa, kosa , kosa
mihodikodina aaany ah
tsy miraharaha izany ah
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Mahaleo
Visites : 8068
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Iketaka
Date : 15/05/2003 16:22
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0557