Saoly (Mahaleo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fahiny ela be izay dia nisy lehilahy irayTody soa amantsara indray an-tanàna nahabe
Tsy niova ilay tanàna mbola toy ilay fahizay
F’ity lehilahy voalaza no nisy fiovana be
Indray andro ralehilahy handeha ho ao Damasikosy
Teny an-dalana izy nahita an’i Jesosy
Nitodi-doha izy ho ao Jerosalema
Niova fo tanteraka, madio tsy misy kilema
Io no Saoly, Saoly, Saoly
Niova fo
Ho olom-baovao
Io no Saoly, Saoly, Saoly
Niova fo
Fahiny ela be izay nahoana moa ry Saoly
Tao Damasikosy ianao feno fankahalana be
Ireo mino an’i Jesosy tena nohejehinao
Ankehitriny anefa toa nisy fiovana be
Lasa ireo namana, lasa ireo haditrana
Nahatsiaro ho tena irery, niha hendry ombieny ombieny
Fa i Jehovah tsy nanary azy
Fa vao mainka nanova fa tsy mba nanasazy
Io no Paoly, Paoly, Paoly
Niova fo
Ho olom-baovao
Io no Paoly, Paoly, Paoly
Niova fo
MAHALEO
--------
Lien: