Raisiko ho ahy (Mahaleo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-) Raisiko ho ahy ny hadisoana
Izaho indray no hifona
Nefa aok'izay f'aza avela hilona
Ataovy heloka hibabohana
Aoka atao hoe ahy ny tsiny
Nahatonga iny ady iny
Nefa mangata-pamelana
Aza ivindavindana
Sao dia tezitra aho ny hiafarany
Farany io havelako any
Tombotsoa ho an...'iza moa?
Iza no ho voa?
Tsisy afatsy isika roa.
2-) Raha toa aho manetry tena
Sanatria tsy fahalemena
Rehefa toa samy sorena
Tsy afak'hidinika am-pahendrena
Raha mitady filaminana
Aza asetrinao fahanginana
Izay mikotrika vali-faty
Fa avoahy ny ao anaty
Ao re lala o fa mifona
Nanao teny tsy tsaroana
Tsy hanindroa aho, marina moa
Mitsikia aloha
Etsy toneho ny fo
3-) Tezitr' Ianao, tezitra foana
Tsy hay intsony hoe nahoana
Mimonjotra toa trondro moana
Tambitambiko zava-poana
Inona moa ilay nampiady teo?
Toa tsy tsaroako akory izay niseho
Fa erikerika lasa tondra-drano
Ady kely lasa angano
Toa izao no fiandohany
Ady kely tsy voavaha toa izany
No mitombo, lasa atambo
Mampisara-po. Ny olona mifankato
--------
Lien: