Omaly tolakandro (Mahaleo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Omaly tolakandroRehefa tolak’ iny ny andro
Nigogogogo nitomany izy
Tsy mety ritra ny ranomasony.
Nanontaniako izy
Tsy mety miteny
Nanontaniako izy
Tsy mety mamaly
Fa inona ihany ary
No mahazo ary
Marary kosa angamba ny fony (2)
Nanambitamby izaho
Nanambitaby izaho
Tsy nety
Tsy tambitamby ho’aho
Tsy tambitamby ho’aho
No ilaina (Fa inona e ?)
Ny alahelo rehefa arahan-dranomaso
Dia toy ny rahona arahan-dranonorana
Rehefa lasy ny tomany
Ny fo ho ravoravo
Rehefa lasa ny andro ratsy
Hibaliaka indray ny andro
Fa ny fiainana eto an-tany
Dia tsy vitan’ny tomany
Fa ny onjan’ny ankaso
Dia tsy resin-dranomaso
Fafao ny ranomaso
Ka jereo tsara
Fa ny aty tsy kilalao
Tsy kilalaon-jaza
Ka na ho aiza ialahy
Ka na ho aiza ialahy ry sakaiza
Tsy maintsy misy ho’aho
Ny manenjika an’ ialahy
Ny mitifitra an’ialahy
Fa androany tolakandro
Rehefa folak’iny ny andro
Folaka koa ny alahelony
Nijanona ny ranomasony
Manantena ho’aho
Manantena ny masoandro
Rahampitso, rahampitso tolakandro
Mbola ho avy lahy
Mbola ho avy lahy ny masoandro
Rahampitso tolakandro.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : MahaleoVisites : 13430
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : admin
Date : 25/10/2001 16:10