Ministra (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
                  
Tao an-tsekoly, izaho no Gisitra,
Matetika faran’ny lisitra,
Faniriako nefa, ny ho tonga Minisitra;
Ka i Bado sy Dondrona no ataoko Direkitera,
KalaSoa, Sekretera Paritikiliera,
Ilémahay, raha azoko, ataoko Saofera;

Fa i Koto, Lietinàko fahiny,
Hahazo ny toerana iriny,
Ho tretrika sy faly,
Fa Sekretera Generaly;

Mitsangana ary ity Minisitera,
Mitsinjarazara ho Vaomiera,
Hanatanteraka, ny Hafokana lany era!

Ireo tary somary manky visy,
Hataoko sefo serivisy,
Handinika ny hadalana rehetra misy;
Vaomieran’ny Enti-mody tsy vita,
Vaomieran’ny Fitaovana tsy hita;
Vaomieran’ny Habadoana,
Vaomieran’ny Hakamoana.

Ireo Mpampianatra nanambanimbany,
Ny Tale, anisan’izany,
Hampindraiketiko famafana tokontany;
Ireo "surveillants" kosa,
Nanao izay hahakanosa,
Eny anjoron-trano, Mandohalika! Hanala trosa;

Fa ny anay ts’isy azo rarana,
Fifohan-tsigara, fisotroa-mafana,
Fa fakan-drivotra lava,
Rehef’avy eo samy mibaraka, dia samy mirava;

Ireo Vehivavy ’zay namingavinga,
Niseho ho favy, niseho ho kinga,
Ampiriatiko, ts’ary avelako rah’ tsy mandringa;
Ireo Lehilahy tsy resiko, fa mafy be,
Manan-tsaina, tsara bika, tsara tareh’
Rah’ vao mitrena, "allez! affecté..."

Fa ny Minisiterako, dia Sekoly Tsy Miangatra,
Fa ny Ambony Haforitra, ny Ambany Hasandratra,
Ao Amiko no TENA HITRANGA,
’Ty dradradradraina hoe FITOVIAN-TSARANGA!
--------
Lien:
Commentaires
hery ( 28/10/2019 17:23)
Miova kely isaky ny concert koa ny tonony. Misy mifamadika sns 😊
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Mahaleo
Visites : 8296
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ralery
Date : 24/02/2007 14:12
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134