Mihodikodina (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mihodikodina letsy an
Ity tanintsika ity
Ka mahaiza fetsifetsy an
Sao ialahy dia mikodia

Misy ambony misy ambany
Fombany ihany io lery e
Izay mirodana koa any
Mikoriana sy kodia e. (2)
Fa samy mazana ny aty.

Tsy iza hono izy fa akama
Niara-niaina tamin’ity
Tanaty fotaka malama
Tanaty trano fatim-bỳ

Resabe avokoa
Ny tabataban-dry zalahy e
Mody hoe hanao soa
Kanjo hanaikitra an’ialahy e
Mody hoe hanao soa
Kanjo hitsetsitra an’ialahy

Nony azony ny toerany
Nikarama volabe
Ny sakafonao no ferany
Izy anie ka be kile

Eo ialahy vao midanaka
Hoe tena dadany ilay paika
Anefa ialahy efa voadaka
Nofy tsy nahazo laka
Eo ialahy vao midanaka
Fa lasan’olona ny laka
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 13698
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 13/09/2002 12:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.071