Levaly (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iaraha-mahita, Iaraha-mijery
Tsy mety tafita fa mbola voatery
Ny sainy sy ny fieritreretany

Ka manao azafady aho
raha azo atao
Fa izaho tsy hitady, hiady aminao
Satria tsy mitovy ny entana

Fa samy nitady hasambarana!
ho vokatr’ireo hasasarana
Ka aiza indray no hilaharana
Fa mazana be ity fiakarana
ho anay tsy mba manana anarana
Azafady mba aza hiangarana e!
Rahoviana indray vao hifarana
Ity tohatra lava fiakarana e!

Ela efa voky, tsy hatoky
ireo mbola noana tsy hijanona foana
amizao, ary hivalaketraka
tsy maintsy hitady izy fa mafy ady
tsy maintsy hikaroka, ary hidaroka anao
izay mihetraketraka

Tsy resy tsiakory izy ireny
Na mangina tsy miteniteny
Ka hiaritra mandrakizay,
hiaritra ny mahamay,
Fa dondrona tsy mba mahay,
Kamboty reny sy ray
Ka anaovanao antsonjay
Sy avela ho main’ny sakay

Fomban’ny olona ny mitsikera
Fomba ny vorona ny mianjera
Rehafa tsy mahay manidina
Ka amboary tsara ny laha-tantara
Aza variana mizara dolara
Ianao, sao dia mitsingidina

fa hafa ny andro omaly
Samy tsy mbola nijaly
Mbola ampy dia ampy ny kaly
Samy mba nifalifaly,
Na tanora ny maintimolaly
Nifanaraka tsy mifamaly
Moa ve tsy izany le valy?
Miantsoantso tsy misy mpamaly!
Moa ve tsy izany le valy a!
Miantsoantso fa tena mijaly!!



Raoul
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Mahaleo
Hits : 4667
Likes : 0 Like
Created by : admin
Date : 28/09/2007 17:28
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0736