Kalon'ny antitra (Mahaleo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miketrona avokoa, ny hoditrao manontoloEla niara-droa, tafaray fotsy volo
Ny masonao mainty manga, mihafotsy ho azy teo
Ny nifinao maro banga, mahatonga anao hiova feo
Izaho kosa savolaina, foka sy trotraka
Efa miaritra aina, efa ho potraka
Efa manao poha, efa miverin-tsaina
Mangozohozo loha, efa manaintaina
Isika no hoe lany hetezana
Fa ny fontsika tanora aok’izany
Ianao no taolan-tehezana
Andefi-mandry hatrany
Mikisaka raha mamindra
Mihilangilana
Mikavivia aho hirindra
Kilasy vilana
Nefa mbola mitosy, mbola miangoty koa
Rangahy be sy rafotsy, mbola mifankatoa
Ny ankizy nokoloina, tsy misy tsinjo intsony
Tsy hita ho antsoina, efa voafehy ireo fony
Teto isika roa, tojo ny farany
Asa izay handeha aloha, miandry ny anjarany
Fa raha ianao no lasana, matesa faingana aho
Tsy hihidy ela ny fasana, f’izaho tsy mahafoy anao
Ny faniriako hatri’zay, hiara-antitra aminao
Fa ny Avo no nampiray, izay indray vao hifandao
Tsy tantiko ny ho irery, raha banga ny toeranao
Tsy misy mpakahery, koa avy re alao
Ho tapany aho fa tsy ho iray
Aza hilaozanao toy izao
Hiara-lavenona fa miaraka hitahy
Hiara-maty aminao
Dadah & Fafah
--------
Lien: