Fasan'adala (Mahaleo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toa mahonena ny mijery eo am-baravarakely Ilay fasan’adala
Maty nefa toa tsy nisy hoe malala nahoana indrisy
Mampitalaho mihintsy
Fony fahavelona tsy nanan-kavana
Ireo vorona an’ala no mba sisa namana
Toa mahonena ny maheno eo am-baravarakely
Ny siokam-borokely
Mandrakotra ny fasana isa maraina ireny
Ny zavony ririnina sy ireo feon'angely
Adala mantsy ka hadinoina toa ny biby novonoina
Tsy mba nomena fitiavana
Mangidy anie raha tavela toy ity adala very
Irery ao am-pasana ao
Toa mahonena be ihany ny mahita dongon-tany
Feno bozaka malazo
Vovoka sy fakan-kazo no manampy anao
Hanatrika ity fahanginana ao ampasana ao
Iza re no mahalala fa ianao io ry ingahy adala
tsy very fa ao am-poko ao
tsy maty fa ao an-dohako ao
Bekoto
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : MahaleoVisites : 8024
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : admin
Date : 07/09/2002 13:34