NATAO HO IRAY (Mage 4)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha vao mahita anao aho
Miantsoantso mafy
Averimberiko hoe
Izay tia adala e!

Raha vao manembona anao
Fantatro foana e!
Mahatsiaro faly aho aty
Miara-miaina aminao ao anaty nofy

Réf : Natao ho iray
Ny fiainanay

Leferiko izay ditra
Sy fahotana
Niainanao taloha
Tiako tsy ho hita e

Ny antsika tsy ho fijaliana
No hiainana ety
Ireo adalana taloha
Dia soloin'ireo fitia tsy mety lefy

Int : Vavaka no atao
Fefin’ny fiainan-tsika
Tsy hisy handrava intsony
Saina iray ny antsika roa
Noho ilay fitia
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Mage 4
Visites : 7499
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Rina
Date : 21/03/2003 14:23
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206