Ny vehivavy (Lola (lahy))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
F'angaha raha tsotra ny vehivavy dia araraotina ohatr'izany
Efa fantatrao f'izy tsy handao satria babonao
Lazaina kapain-tsy hita fery nefa tsy hahavita tena irery
Raha niangavy miladilady avy eo mila ady
Efa betsaka loatra ny zioga izay nentin'ireny vehivavy
Atsaharo fa fomba mahamenatra efa lany andro

Ny vehivavy fanaja,
Naterany ianao f'aza gaga
Raha toa mitady ho solafaka ianao
Eritrereto ny anabavinao
Mitazona ny teny nomeny
Izany no tena fahendreny
Fa izy rehefa tia dia tia
Miandrandra anao ho doria

Ireharehanao ny hoe mahazaka, mitabataba ery ny vava
Ny fahalemena izay tokony hafenina vao mainka adera
Raha sipa anefa no manao, mila hitapy ny anao
Mibabababa fa tsy mahazaka, iaraha-mahalala
Ny fitiavantena no betsaka ny azy ka dia sahy manambany vehivavy
Rehefa tojo ny mafy anefa dia any ihany no miantefa
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Lola (lahy)
Visites : 4354
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 04/02/2015 19:34
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115