Malala (LEMARA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ireo adiady izay fanao ka nampifamaly antsika
Ho lasa hery vaovao ka hampitambatra antsika
Ireo teniteny naharary izay nandratra ny fo
Ho adinoiko any ireny, ho fafako avokoa

Tsy hitana alaheholo, tsy hitana hambo-po
Satria ianao irery no tiako, ianao no efa nofidiako
Ka aleo re ny lasa no homba ny lasa, fa ny hoavy no mbanjino
Dia hifampitantana isika, hiara ihira ilay mozika

(Refx2)     Malala malala oh oh
                   Izaho tia anao hatramin’izay ka hatramin’izao
                   Malala malala oh oh
                   Ho hajaiko foana ianao, homeko fitia vaovao

Ny fiainan-tsika roa ho feno hafanana
Ho lafatra, ho feno jiro sy hazavana
Ho fo falifaly sy ho feno tsikitsiky
Fenoina kalokalo hira sy mozika

Ireo teny mamy, tambitamby ary safosafo
Homeko mora ho anao ireny fa tsy ho vidiana lafo
Ireo bisous bisou, minou minou fanaon-tsika roa
Ho tohizan-tsika foana ireny, ho hampitoboina avo roa heny
Tsy hitana alaheholo, tsy hitana hambo-po
Satria ianao irery no tiako, ianao no efa nofidiako
Ka aleo re ny lasa homba ny lasa, fa ny hoavy no mbanjino
Dia hifampitantana isika, hiara ihira ilay mozika

(Refx2) Malala malala oh oh
              Izaho tia anao hatramin’izay ka hatramin’izao
              Malala malala oh oh
              Ho hajaiko foana ianao, homeko fitia vaovao

Ny fiainan-tsika roa ho feno hafanana
Ho lafatra, ho feno jiro sy hazavana
Ho fo falifaly sy ho feno tsikitsiky
Fenoina kalokalo hira sy mozika

(Ref) Malala malala oh oh
          Izaho tia anao hatramin’izay ka hatramin’izao
          Malala malala oh oh
          Ho hajaiko foana ianao, homeko fitia vaovao
           Malala malala ahhhhhhh
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : LEMARA
Visites : 20
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Lemara
Date : 06/03/2026 22:29
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0359