Anao hangina tö (Koraita (Fjkm Androva Vaovao Famonjena - Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
And 1:
Misedra hakiviana be ianao
Sa tojo fahoriana
Ka mila tsy ho zakan'ny sainao
Ny olana hijaliana
Tsarovy fa ny Tompo tsy mandao
Anilanao hatrany
Mijery sy miahy ny fiainanao
Mamafa ny tomany

Fiv :
Jehovah ndrô hiady ho anao
Jehovah ndrô hiady ho anao
Jehovah ndrô hiady
Fa anao hangina tö

And 2:
Mandalo fitsapana ve ianao
Tsy hita izay hombana
Mavesatra tokoa ny entanao
Noho ny fahotana
Ento amin'i Jeso ny olanao
Ento mba hovahany
Fa hainy avokoa zay tsy hainao
Ka matokia hatrany

And 3:
Na miondrika milofoka ianao
Jehovah hampitraka
Mafy ny fahoriana atrehanao
Jeso hiara-mizaka
Fa ny anjara sisa ataonao
Dia ny matoky Azy
Jehovah no nilaza taminao
Fa Izy ndrô hiady
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Koraita (Fjkm Androva Vaovao Famonjena - Mahajanga)
Visites : 20
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Harijesy
Date : 28/11/2024 09:17
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1008