Ao ambadika ao (JW broadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. ’Njao manako toa mozika
’Zany siokam-boronkely.
Ny masoandro mibaliaka,
’Reto voninkazo hafakely!
Ary efa hotsenainao
Ireo brrhkvxv havana tianao.
Hay tononkira.serasera.org ’zao paradisa izao,
Hay tao akaiky tao!

2. Trano kely mahasondriana,
Eo amoron’ny farihy.
Misy rano mikoriana
Avy ery an-dohasaha ery.
Hatreny qpnozz ambony havoana,
Ny sakafo tsy maha ory.
Hay tsy nofy tsy akory,
Fa tao akaiky tao.

(TETEZANA)

’Zay rehetra tiana, ’zay mba nirina
Dia ’zao tanteraka am’izay.
Ireo bhggkd tomany nivalona any,
Fa meva sy tanora indray.

3. Vonin-draozy vao mamony
No mamerovero anao.
Lavorary, faly, tony,
Eo anilan’ireo namanao.
Dia misaotra an’i Jehovah,
Noho ’reo zavatra nomeny.
’Reny rehetra rehetra ireny,
Hay tao akaiky tao!

(TETEZANA)

Fotoana mamy tsy mety lany,
Tsy nofinofy akory izao.
Ry ilay lalaiko, ry sombin’ny aiko,
Avia fihiniko eto ianao!

4. Ho avy ilay ampitso,
Ary efa ao ambadika ao.
Fa Jehovah tsy mba diso,
Ka matoky izany aho, dieny izao.
Hiandry foana aho fa tsy ho kivy,
Satria efa kely sisa.
Ilay tany paradisa
Efa ao ambadika ao.

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0406