Ady ny Fiainako (The Fight) (JW broadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Ny fiainako efa ady mafy.
Na dia malahelo aza aho dia... mihafy.
Fa tafahoatra kosa androany,
Te hiafina aho, dia hitomany.
Jehovah anefa manampy ahy,
Mandray ny tanako izy hoe: ‘Mitrakà!’
Ny Teniny hery ho ahy,
Mampahatsiaro ahy isan’andro hoe:
FIVERENANA:
‘Kely sisa fa andraso ihany,
Ny ranomaso hofafany.
Kely sisa fa andraso ihany.
’Lay Paradisa ho avy,
Io tazana io sahady.
Tohizo ihany ilay ady,
Tohizo ihany ilay ady.’
2. Ny Teninao no mampahery ahy.
Raha sendra tafiotra aho ’zao, tsy manahy.
Jehovah eo mba hanampy ahy.
Mandray ny tanako izy hoe: ‘Mitrakà!’
Ny Teniny hery ho ahy,
Mampahatsiaro ahy isan’andro hoe:
FIVERENANA:
‘Kely sisa fa andraso ihany,
Ny ranomaso hofafany.
Kely sisa fa andraso ihany.
’Lay Paradisa ho avy,
Io tazana io sahady.
Tohizo ihany ilay ady,
Tohizo ihany ilay ady.
Tohizo ihany ilay ady.
Tohizo ihany ilay ady.’
TETEZANA:
‘Tohizo ihany ilay ady,
Tohizo ilay ady.
Tohizo ilay ady.’
FIVERENANA:
‘Kely sisa fa andraso ihany,
Ny ranomaso hofafany.
Kely sisa fa andraso ihany.
’Lay Paradisa ho avy,
Io tazana io sahady.
Tohizo ihany ilay ady.’
(https://www.jw.org/mg/zavatra-misy/video/#mg/mediaitems/VODOriginalSongs/pub-osg_56_VIDEO)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : JW broadcasting
Vangy : 1214
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : sergesitrak2017
Daty : 03/11/2019 12:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0883