Tohizo (Jon Mos)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
N'inona rehetra ho atao
Tsy maintsy misy ny ady hoatrehinao @ fianana ety

Tiako mba ho tsapanao
Fa mbola holavitra ny lalana
Izay holalovanao ety
Maro koa ireo tsy faly aminao
Te handrendrika anao tsotr'izao @ zavatra atao
Kanefa itokio lay Ray ambony ao
Dia ho mpandresy ianao indray andro any
Ho foana koa ny tomany....

Refrain :
Na sarotra aza mantsy ny lalana mankany mankany
Dia tohizo ny dia ary aza mihemotra intsony
Na maro be ireo sedra ho lalovanao any
Dia manàna finoana ianao dia ho mpandresy hatrany (indray andro any)

Hamafiso ny herintsaina anao
Foano hatreo ny toloko sy ireo sentonao
Halaviro ireo mitady ny handrava
Ireo nofinofy kasaina ho atao
Mba tsy ho nenina aoriana
Mahareta hatrany, herezo ny dia
Fa mbola ho avy ilay maraina vaovao
Izay efa nandrasanao...

Refrain :
Na sarotra aza mantsy ny lalana mankany mankany
Dia tohizo ny dia ary aza mihemotra intsony
Na maro be ireo sedra ho lalovanao any
Dia manàna finoana ianao dia ho mpandresy hatrany (indray andro any)

Ny hafatra farany ho lazaiko aminao
Mivonona hatrany @ zay mety hiseho
Aoka tsy ho kivy fa hiaritra hatrany
Fa izy Ray no omba sy hitantana anao
Ary koa hiady ho anao...

Refrain :
Na sarotra aza mantsy ny lalana mankany mankany
Dia tohizo ny dia ary aza mihemotra intsony
Na maro be ireo sedra ho lalovanao any
Dia manàna finoana ianao dia ho mpandresy hatrany (indray andro any)

Album I: Jon Mos
Tonony sy Feony: Jon Mos John na i John
©2013
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Jon Mos
Visites : 185
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : JacksyRose
Date : 15/12/2023 23:48
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726