Tiany Ianao (Jon Mos)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fitiavana mantsy hono indraindray
Raha koboinina ao am-po
Dia zary ho alahelo sy ho adin-tsaina
Ka hankarary ny fo

Ambarako eto izao ho renao
Fa tiany ny ho anilanao
Nefa manahy ihany
Sao ho lavinao
Fa ny anio ny mahafaly azy
Dia ny ho anilanao ihany
Kanefa hatramin'zao tsy tsapanao
Ilay fitia nomeny anao...

Tena tiany hono ianao
Nefa tsisy azo atao
F'ilay fitia mihintsy no efa tsy ao
Tsy nitsiry ao am-po ka nandratra ny fo

Manahy ihany mantsy aho indray andro any
Fa hihaona indray ianareo
Ka aoka tsy ho tomany
Ny ho setrin'izany
Fa raha ny tiany sy niriany
Dia mbola ianao ihany
Kanefa sarotra ho azy
Ny hilaza aminao, ny ao am-pony ao

Tena tiany hono ianao
Nefa tsisy azo atao
F'ilay fitia mihintsy no efa tsy ao
Tsy nitsiry ao am-po ka nandratra ny fo (x2)

Guitare solo

Tena tiany hono ianao
Nefa tsisy azo atao
F'ilay fitia mihintsy no efa tsy ao
Tsy nitsiry ao am-po ka nandratra ny fo
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Jon Mos
Visites : 261
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Antsa Fitiavana
Date : 16/12/2023 00:01
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0785