Mandra-pisandratry ny andro (John Oabmar)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
♩ ♪ ♫ ♬

Tsy nieboebo hono izy
Tsy niavonavona izy, hainao
Tsy mora menatra izy
Fa tsy hiady varotra izy, hainao
Tsy hilavo lefona hono izy
Fa mbola miandry hono izy anao
Vonona hitsahatra izy, mandra-pisandratry ny andro

Raha mbola mila dia tongotra e
Raha mila fiaramanidina ôô
Ho ataony izany

Raha mianika tendrombohitra e
Raha mbola manaka danitra ôô
Ho vitany izany

Tokony efa fantatrao
Tokony hoe tsy atoro anao
Miankina amin'izay tianao
Fa efa aman-taona izy miandry anao
Miafina efa henonao
Takona fa hitanao
Takona fa hitanaaaaao

♩ ♪ ♫ ♬

Tsy nierikerika izy
Tsy niovaova hono izy, hainao
Tsy mba nanery hono izy
Fa niandry izay tianao hatao
Tsy mbola nihemotra hono izy
Fa mbola handroso any aminao
Vonona hiandry nefa izy, mandra-pisandratry ny andro

Raha mbola mila dia tongotra e
Raha mila fiaramanidina ôô
Ho ataony izany

Raha mianika tendrombohitra e
Raha mbola manaka danitra ôô
Ho vitany izany

Tokony efa fantatrao
Tokony hoe tsy atoro anao
Miankina amin'izay tianao
Fa efa aman-taona izy miandry anao
Miafina efa henonao
Takona fa hitanao
Takona fa hitanaaaaao


Ouôôôôôooo


Tokony efa fantatrao
Tokony hoe tsy atoro anao
Marina fa lasa ianao
F'izy nefa vonona hiandry anao
Takona fa tsapanao
F'izy mbola tia anao
F'izy mbola tia anaaaaao

F'izy mbola tia anao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : John Oabmar
Visites : 346
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Liva_R
Date : 04/12/2024 16:03
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1026