Ny Hafanana (Jeneraly)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tadidio kely ange
Indray takariva izay
Notantaraiko tamin’ise fa
Tsy miaraka izahay
Fa matoa izy tononkira.serasera.org eo anilako
Satria tiako ny eo bdrgyxu anilany ôh
Fa raha izay fitiavako ?
Na misy aza silany

Fa ny antsika kosa
Hafa tsy toa ny anay
Fa fitiavana miavosa
No niarahana hatrizay
Toky ihany no omeko
Omeko anao
Tsy omeko azy o
F’izay efa xgqjk nekeko
tsy ataoko vazivazy

ref:
Fa tiako loatra ianao
Mamy toa tantely
Tena fitia fa
Tsy lainga velively
Misy ihany anefa anie
Omeny ahy tsy omenao
Ka hadisoako ve ?
Sa kosa diso ianao ?


Anananao tokoa ny bika
Ny endrika torak’izany
Nefa kosa mangatsiaka
Raha anilanao hatrany
Ny hafanana ry lalaiko
Mila izany ny fitia e
Ny fitia e
Io ihany no karakaraiko
Matoa aho tsy tonga aty.


Tonony sy feony : Ghaby na zojdk i Julien Ramiandra

--------
Lien:
Commentaires
ikalamako ( 31/03/2015 22:46)
An'i Ghaby (Jeneraly) izy ity fa nohirain'i Jeannot Razakandrainy taty aoriana (ato izy amin' ny feon'i Ghaby : https://www.youtube.com/watch?v=j7KKFCKpvd8 )
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117