Zahay eto foana (Jaw's Band)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Manao azafady hiresaka kely indray zahay e
Manao aza tsiny, manao ala-fondro fa hilaza
Ngah moa izy ity tsy nekena haharitra hatramin’izay e
Izao sahady ny sasany dia efa tsy hita hoe nankaiza
Miakatrakatra kely ny feo amin’ity miala tsiny
Fa nakaiza daholo ianareo ilay nirehitra fahiny
Nanadino ny Tompo sa ve hoe tsy maintsy hoe mitady vola
Mody samy variana dia samy miala moramora

Zahay aloha tsy sahala amin’izany
Aleonay midera Azy ihany
Izahay tsy manenjika anao fa izao
Refrain:
Na hijanona tsy hidera intsony aza ianareo e
Izahay eto foana a, izahay eto foana
Ianareo tsy mahandry ny Tompo f’efa leo e
Izahay mbola noana, mitady Azy foana
2- Miala tsiny fa somary masitsiaka fa indrisy
Izao no tokony hihetsehana nefa ny olona miha-vitsy
Dia ianareo efa teo indray no miendaka fa ahoana
Vao mba tratran’ny test kely dia kivy manimpy gant
Tena efa hitako tamin’ny télé ny vaovao e
Fa reraka be hoe ny sainy fa izy tsy hanao e
Dia tsy nahatohitr fakam-panahy ka miala
Ka tsy hifantoka intsony amin’ny Tompo
Fa ho any amin’ilay drala

Zahay aloha tsy sahala amin’izany
Aleonay midera Azy ihany
Izahay dia mivavaka ho anao fa izao

Réf
Zahay tsy hiala @Tompo mamany e
(Zahay tsy hiala amin'ny Tompo mamany e!)
Na inon-kidona na inon-kihatra
(Zahay tsy hiala amin'ny Tompo mamany e!)
Mandalo ihany ny Fiainana an-tany
(Zahay tsy hiala amin'ny Tompo mamany e!)
Ny asa nomeny tsy avelanay ho banga
Mipodiana malaky f'aza variaña
Sao tratran'ny nenina ao afara e
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Jaw's Band
Visites : 2286
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Jockl
Date : 11/07/2025 10:49
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2117