Mitalaho (Jaw's Band)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
''Andriamanitra ô, miantso anao izahay!
Mpanota tsy mendrika hiantso ny anaranao!
Nefa hoy ianao hoe izay manantona ahy tsy mba ho laviko mihintsy!''

Fantatray ratsy teo imasonao
Fa ninihinay natao
Fantatray fa mafy Jesoa niainanao,
Nefa izay dia izao.
Olona nantsoina, niodina indray,
Nanamafy loha, ôh!
Manao fanahy inihina,
Tsy nihaino anao, nanamafy fo.

Fantatray ratsy teo imasonao
Fa ninihinay natao
Fantatray fa mafy Jesoa niainanao,
Nefa izay dia izao.
Ola nantsoina, niodina indray,
Nanamafy loha,
Nanao fanahy inihina,
Tsy nihaino anao, nanamafy fo.

Hmmm!!!

Fa androany aho ibebaka e!
Mamindrà fo amiko
Ny ratsy ataoko betsaka e!
Raiso ny fiainako... ô ô ôh!

Mangeja ahy ny fahotako
Ny aiko reraka e!
Omeo fahendrena aho ry Ray
Toy zanaka tianao...

Ref:
Mitalaho aho,
Raiso anao indray
Manaiky aho fa diso
Tsy haiko ny ampitso!
Mifona aho Ray
Hiverina aminao
Tompo arovy aho tsy ho may
Mila ny tànanao.

Mitalaho!... ôh ôôôh!, eh!... Mitalaho!

Hmmm!

Ny vavanay miteny,
Nandratra ny hafa
Noho ny fo maloto.

Ny lolom-po ratsy
Mbola tsy voafafa
Mameno ny fo.

Ny nalehan'ny tongotra
Noraisiny ny tànana
Tsy mendrika aho Ray.

Ratsy teo imolotra
Izary lasa fiainana
Isan'andro izao.

Androany aho ibebaka e!
Mamindrà fo amiko
Ny ratsy ataoko betsaka e!
Raiso ny fiainako... ô ô ôh!

Mangeja ahy ny fahotako
Ny aiko reraka e!
Omeo fahendrena aho ry Ray
Toy zanaka tianao...

Ref:
Mitalaho aho,
Raiso anao indray
Manaiky aho fa diso
Tsy haiko ny ampitso!
Mifona aho Ray
Hiverina aminao
Tompo arovy aho tsy ho may
Mila ny tànanao. (X2)

....................

Ref: .............

Mitalaho! ...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jaw's Band
Vangy : 6805
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 10/08/2020 14:25
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113