MPATSAKA VAVY (Jaw's Band)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nisy vaiavy araiky nandeha natsaka
Mila rano ony izy f'ilainy refa misasa
Refa Tonga teo nef'izy nisy lehilahy efa niandry
Tsy iza izany eh! Fa Jesosy iany

Somary nahagaga kely Jesosy sy ilay vehivavy eh!
Oeh haninona loatra ary Zoky Jesosy
No miandry anazy
Oeh resaka inon'oh! Fa toa hafahafa
Oeh le Jesosy Hendry indray ity no miandry
An'ikala mpatsaka
De aninona eto ianao ozy Jeso nanontany eh!
Hatsaka rano eto aho fa ahoanao inon'izay eh!
Non non non
De tsy ity rano ity no ilainao f'izay rano izay
Tsy hampangetaheta anao intsony mandrakizay
De ilay vadin'olona nalainao ireny eh! Avereno
Tsy menatra akory ianareo mifanoroka be
Eny an-tsena

Mila miova ianao vaiavy eh! Mitandrema
De Jeso tomponao ty no tonga milaza aminao
Famonjena vevavy eh!

Eh! Tsy hatsaka intsony dada eh!
(Ha izany mintsy)
Ouh! Tsy Mila manovo mama
Eh! F'ilay ranovelona io oh!
(Ilay tenin'Andriamanitra)
Ouh! Tsy Mila vovo mama
(Tsy Mila vovo mama eh!)
Eh! Tsy hangetaheta intsony eh!
( Tsy hangetaheta intsony eh!)
Ouh! Raha izay rano izay no sotroina
(Raha vao izay rano izay no sotroina)
Eh! Henoy Zanahary mivolana
Izy eh!
Ouh! Raha matsaka eto fatorana

Raison ny tenin'Andriamanitra
Ho sabatry ny Fanahinao

De am'izao sisa izao
Aza manota intsony

(Tsy hatsaka intsony jamais jamais)
(Tsy Mila manovo mama)
(Tenin-janahary eh!)
( Tsy Mila vovo izany eh)
(Tsy hangetaheta intsony eh!)
(Raha vao izay rano izay no sotroina)
(Izy eh!)
Ilay rano velona oh!
Maha elavelona oh!
Mahavonjy fanahy
Andovana fiainana mandrakizay
--------
Rohy:
Hevitra
hery ( 23/11/2022 09:18)
Efa misy Jaw's band ato. Tokony ampidirinao any ny hirany
Samson Patrick ( 23/11/2022 10:00)
Aona ny fomba idirana ao tompoko
hery ( 23/11/2022 19:46)
Rehefa mampiditra hiran'i Jaw's Band ianao dia ataovy hoe Jaw's Band ny mpihira (fa tsy Jaws' band). Raha vao io Jaw's Band io no fidinao dia any no miditra ny hira. Diso fanoratra fotsiny izany ilay mpihira nataonao.
Azonao tadiavina ao amin'ny lisitry ny mpihira fa efa misy hira vitsivitsy an'i Jaw's Band ao.

Misaotra hatrany.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jaw's Band
Vangy : 796
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Samson Patrick
Daty : 23/11/2022 08:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.074